Nahoana no voakapoka mafy izao tontolo izao ?

Nahoana no voakapoka mafy izao tontolo izao ?

An’ny Tompo ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy (Sal.24.1)

Tompony Izy ka manao izay tiany hatao. Andriamanitra masina sy marina, mankahala fahotana kanefa Andriamanitra Fitiavana. Izany no natiorany.

Ao amin’ny Genesisy 6.8 dia nanenina Izy tamin’ny nanaovany ny olona fa feno faharatsiana loatra ny fisainany koa nodioviny tamin’ny safodrano izao rehetra izao afa-tsy Noa valo mianaka ihany sy ny biby araky ny karazany avy satria Noa dia lehilahy marina sady tsy misy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy (Gen.6.9). Nanao izay rehetra nandidian’ny Tompo azy Noa (Gen.7.5).

Lire la suite →
Mpitondra tsiro sy fahazavana

Mpitondra tsiro sy fahazavana

Hianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?
Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona.
Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.
Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Matio 5.13-14

Ny iraky ny Tompo ho antsika

  • Mpitondra sy mpizara fahamarinana, fiainana, finoana izay hampisy tsirony ny fisiana eto an-tany.
  • Mpitondra sy mpizara fahazavana izay mampisava ny aizina, manome fahalalana ny araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny lafim-piainana rehetra
Lire la suite →