Ny fahamarinana manandratra ny firenena

Misy fotoana mahalasana eritreritra anao manao hoe: “Mbola tokony hiteny ihany ve aho? Mbola tokony hamerina ka hamerina hatrany ihany ny hafatra efa nalefa ve?” – satria tsy misy amin’izay tokony ho fantatry ny mpitondra sy ny manana fahefana rehetra, na izay tokony ho fantatry ny besinimaro,  tsy efa fantany rahateo, raha ny vontoatiny no heverina.

Fa iza no olombelona tsy mahalala fa tsy tsara ny mangalatra, tsy mety ny mandainga, tsy mendrika ny manao kolikoly? Raha homena fitenenana hanoherana izany izy dia samy hanana halahatra fatratra avokoa, samy afaka manao kabary ambony vavahady mipoapoaka avokoa. Tsy misy, na iray aza, sahy hitsangana ka hiteny hoe: tsara ny mangalatra, mety ny mandainga, mendrika ny fanaovana kolikoly. Tsy misy, na iray aza! Ka fantatra izany, ka nahoana no atao ihany?

Ho an’izay mbola vonona hihaino, dia hoy ny Tenin’Andriamanitra :
Ny fahamarinana  manandratra ny firenena; fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona.” (Ohab.14.34).

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi