Torolàlana sy lalàna momba ny kolikoly eto Madagasikara

Matetika ny olona tsy ampy fahalalana momba ny kolikoly no tafiditra amin’izany satria tsy manana filankevitra na tolotra mikasika izany.
Ny tanjon’ity sehatra ity dia ny hanome fahalalana feno amin’ny sehatra maro. Raha manana tolo-kevitra ianao na vaovao dia vao mainka tsara.
Aza misalasala mifandray aminay amin’ny alalan’ny
takelam-pifandraisana.

TONDROZOTRA SY FAMPIDIRANA AMIN’NY FITSARANA

Ity tondrozotra ity dia hanamora ireo hampiasa azy momba ny fiarovana ny zony eo amin’ny ambaratongam-pitsarana rehetra , ao anatin’izany ny fanazavana ireo toromarika arahina izay matetika mahavery ny mpampiasa azy.

Hamaky

TONDROZOTRA NY MPAMPIASA LALANA

Ity tondrozotra ity dia hampahalala ireo fandikan-dalàna momba ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana an-tanety eto Madagasikara sy ny sanda aloa mahakasika izany.

Hamaky


LALANA MIFEHY NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY

Ity fehezan-dalana ity dia mitondra fanavaozana sy fanatsarana momba ny fisorohana amin’ny kolikoly, indrindra ny fihetsika mahomby sy mirindra amin’ny fanambaram-panana, ny tsy fifandraisan’ny maha tompon’andraikim-panjakana ambony amin’ny fanenjehana momba ny kolikoly na ny toy izany izay voafaritra ao anatin’ity lalàna ity, sy ny fampiharana tetika isan-tsehatrasa ho fiarovana sy ady amin’ny kolikoly.

Hamaky

LALANA MIFEHY NY IVOTOERANA MIADY AMIN’NY KOLIKOLY

Ity fehezan-dalàna ity dia manome toromarika faobe momba ny fanamboarana, ny fahefana, ny fandaminana ary ny fahaleovantena sy ny fifandraisana ny PAC.Afaka mifandray manokana amin’ireo fiarahamonimpirenena izy izay miady amin’ny kolikoly amin’ny fametrahana fitoriana , mba hampandray anjara ny olompirenena amin’ity ady ity

Hamaky