ANTSO HO AN’NY KRISTIANA

Mbola misy ny fanantenana hahasitrana an'i Madagasikara

NY MAHA-MPIKAMBANA

Ny fihahaky ny kolikoly dia antso avo ho antsika Kristiana mba hitsangana hanohitra izany. Ny Tohivakan’ny Fahamarinana dia misokatra ho an’ny kristiana rehetra, tsy mifidy anara-mpiangonana, fa resy lahatra fa afaka manova ny toe-javatra sy manasitrana an’i Madagasikara Andriamanitra araka ny teny fampanantenana nomeny:

Raha ny oloko izay nantsoina tamin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny (II Tan 7.14)

Ny mpikambana ao amin’ny Tohivakan’ny Fahamarinana dia manaiky ny:

  • Tsy hanao kolikoly
  • Tsy handray kolikoly
  • Hanampy araka izay tratrany raha ilain’ny Tohivakan’ny Fahamarinana izany



Iditra ho mpikambana