Mandresy ao amin’i Jesoa

Raha misy ny aretina toa vaovao
Zay mandripadripaka mafy amin’izao
Heveriko fa mbola ratsy noho izany
Lay efa taloha ‘zay nanimba ny tany

Ny fahalovan’ny fo sy ny saina
No areti-mandoza ‘zay  tiana lazaina
Kolikoly no lasa toa fomba fanao
Ka ny vokany ratsy tsy voasandanao

Ny fiarahamonina tsy hita eo ny rariny
Ny fahantrana toa maika itariny
Ny fihantrana tsy fantany izany
Ny tombony ilainy, dia ny ho azy ihany

Vokany : tezitra koa Andriamanitra
Ka tsy miposaka mihitsy ny hanitr’
Ilay fandrosoana katsahina mafy
Ka maro no mbola mijaly sy miafy

Kanefa amin’izao dia toneny ny fony
N’efa ratsy aza isika dia mbola antsoiny
Rah’ mibebaka isika ka mihavana Aminy
Na ny tany n’isika dia tena hositraniny

Raha Izy no miasa dia tsy hay tohaina
Ary tsisy hery hafa ‘zay mbola ilaina
F’izaho sy ianao manaiky ampiasainy
No tiany hanehoana ny zavatra hainy

Antsoina ary isika hanambatra ny hery
Ka tsy hisy hihevitra hahavita irery
Fa hiaraka hamongotra ny kolikoly
Amin’ny fankatoavana ny Baiboly

Dia aoka isika tsy hatahotra akory
Fa Jesosy Tompo no efa namory
K’isika na maro na vitsy amin’izany
Dia efa nataony ho fanasin’ny tany

Ndeha hifanjohy amin’ny tohivakana
Ho tanjaka afaka hiara-manakana
Ny risoriso mitady haka laka
Ka Jesoa irery no aleo eto hanjaka

Désiré Rabenifara