Famoahana entana eny Ivato

Namoaka entana teny Ivato aho tamin’ny 3 janoary. Voavezivezy tetsy sy teroa hoe tsy ao ny tompon’andraikitra sns. Tsy nahataitra ahy izany fa nanana fitsaharana anaty aho hiatrika izay miseho ary tsy hanao kolikoly mihintsy. Ny olona tao aoriako anefa toa efa zatra izay fanaon’izy ireo ka voaray tsara daholo sady vetivety dia nahavita ny zavatra nataony fa izaho mbola tao foana hatramin’ny 3 ora folakandro. NY ANDRIAMANITRA TSY ANDRIN'NY HAFA ANDRIKO FOANA. Nisy rangahy tamy nanatona ahy sady nalahelo be no nanontany hoe inona kay ny anao ramose fa toa efa ela ianao no niandry teo anefa mbola itako eto foana ? TENA HITAKO HOE IRAK'ANDRIAMANITRA IO LEHILAHY IO. Nazavaiko azy ary nohetsehiny daholo izay afaka nanampy ahy tao ka dia tafavoaka soa amantsara ny entako. Deraina ny Tompo e! ZA TSY HANAO KOLIKOLY MIHINTSY E!...
Lire la suite

Visite technique : Inapte lasa apte

Rehefa nanao visite technique ny fiara dia nisafidy ny tsy hanao kolikoly mihitsy. Tsy nametraka vola teo amin ny vitesse toy ny fanaon'ny olona. Vokany inapte dia hoe miverina afaka 1 volana. Niandry ny famoahana ny papiers amin'izay. Fanamarihana: nisy olona niaraka niandry papiers taminay. Izy dia nanome vola ireo mpitsara fiara. Nony nivoaka ny papiers dia nimenomenona izy hoe inapte ny fiarany. Lasa nody izahay. Rehefa novakiko ny tao anaty papiers dia gaga aho hoe ary toa apte indray sady afaka 1 taona vao tsaraina nefa isaky ny 6 volana no fitsarana ny fiaranay. Teo vao tonga saina zahay oe nifamadika tamin'ilay an'ilay olona izany ilay decision fa izy no tokony ho apte satria nanome vola ilay mpitsara kanjo zahay ndray no apte sady lasa afaka 1 taona vao tsaraina indray. Zay ilay sahy manohitra ny kolikoly!...
Lire la suite