Visite technique : Inapte lasa apte

Rehefa nanao visite technique ny fiara dia nisafidy ny tsy hanao kolikoly mihitsy. Tsy nametraka vola teo amin ny vitesse toy ny fanaon’ny olona. Vokany inapte dia hoe miverina afaka 1 volana. Niandry ny famoahana ny papiers amin’izay.

Fanamarihana: nisy olona niaraka niandry papiers taminay. Izy dia nanome vola ireo mpitsara fiara. Nony nivoaka ny papiers dia nimenomenona izy hoe inapte ny fiarany.

Lasa nody izahay. Rehefa novakiko ny tao anaty papiers dia gaga aho hoe ary toa apte indray sady afaka 1 taona vao tsaraina nefa isaky ny 6 volana no fitsarana ny fiaranay.
Teo vao tonga saina zahay oe nifamadika tamin’ilay an’ilay olona izany ilay decision fa izy no tokony ho apte satria nanome vola ilay mpitsara kanjo zahay ndray no apte sady lasa afaka 1 taona vao tsaraina indray. Zay ilay sahy manohitra ny kolikoly!