Anio raha manontany anao ny Tompo hoe “moa tia ahy va ianao?” dia mety maro amintsika no ho mailaka ery hiteny hoe eny Tompoko ianao mahalala fa tia anao aho.
(more…)...
An'ny Tompo ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy (Sal.24.1)
Tompony Izy ka manao izay tiany hatao. Andriamanitra masina sy marina, mankahala fahotana kanefa Andriamanitra Fitiavana. Izany no natiorany.
Ao amin'ny Genesisy 6.8 dia nanenina Izy tamin'ny nanaovany ny olona fa feno faharatsiana loatra ny fisainany koa nodioviny tamin'ny safodrano izao rehetra izao afa-tsy Noa valo mianaka ihany sy ny biby araky ny karazany avy satria Noa dia lehilahy marina sady tsy misy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy (Gen.6.9). Nanao izay rehetra nandidian'ny Tompo azy Noa (Gen.7.5).
(more…)...