Mitady olona Andriamanitra

Fantatra loatra ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Nasehony izany tamin’ny namoronany ahy sy anao hitovy endrika Aminy, ary indrindra nanolorany ny Zanany hisolo voina antsika teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy misy fitiavana lehibe noho izao: dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Nataony izany!

Fa nahoana Izy no tia e? Tsy noho ny fahatsarantsika akory, fa satria tiany isika hiaraka Aminy mandrakizay, tiany koa hiara-hiasa Aminy sady manana planina mahafinaritra ho antsika tsirairay Izy. Koa mitady Izy “Iza re no hanaiky?”

Ireto misy mpivady Zakaria sy Elizabeta, voalazan’i Lioka 1- Izy ireo samy marina teo anatrehan’Andriamanitra, sady nitondra tena tsy nanantsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ny Tompo Lioka 1:6 – Mpivady tena natoky an’Andriamanitra, efa antitra ary tsy afaka ny hiteraka intsony fa mpivady niara-nandeha amin’Andriamanitra hatrany. Namangy azy mivady ny Tompo. Naneho fahagagana! Moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? Hoy ny Anjely tamin’i Zakaria: hiteraka ianareo, zaza lehibe eo anatrehan’ny Tompo, hofenoina ny Fanahy Masina, hampody ny fon’Israely amin’Andriamanitra, hanamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo: izany no famaritana ny antompisian’ity zaza ity, tsy izany fa i Jaona Mpanao Batisa,ilay nialoha làlana ny Mpamonjy.

Mitady olona Andriamanitra. Mba irinao ve ny ho toa ireto mpivady samy marina eo anatrehan’Andriamanitra? Manana finiavana handeha amin’ny fahamarinana miaraka amin’Andriamanitra, hanova ny firenena, ny fiangonana, ny fokontany, ny isa-tokatrano? Indro ny haizina manarona ny tany, feno fahalovana izao hiainantsika izao. Mitady anao ny Tompo hitsangana, tsy amin’ny herinao anefa fa amin’ny fitokianao tanteraka Aminy.Iza re no voatsindrona am-po ka hanolotena hoe: ” Inty aho Tompo hanao izay sitrakao, hiaina amin’ny fahamarinanao sy hankato izay lazainao” Hitahy anao anie Izy ary ny masony hitsinjo anao lalandava dia ho hitanao ny voninahiny. Mahereza.

Lilie RAZAFIARISON
8 Jona 2018