Ireo paika dimy amin’ny fijoroana vavolombelona eo amin’ny firenena
Ataoko ahoana ny fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana ny fijery ny fandringanana ny havako? (Est8:6)
Ireo paika dimy amin’ny fijoroana vavolombelona eo amin’ny firenena
1. Mihainoa amin’ny fahendrena
Ny teny nalefan’I Mordekay tany amin’ny Estera no niaingan’ny tantaran’I Estera. Nihaino ny zava-misy I Estera. Mila mahay mihaino isika eo anatrehan’ny zava-misy eo amin’ny firenena. Tsy afaka manao be marenina amin’ny tenin’ny hafa isika. Tsy afaka mijoro vavolombelona marina eto amin’ny firenena isika raha tsy mahay mihaino isika.
2. Mihatreha amin’ny fahavononana
Nanaiky hanapa-kevitra handray andraikitra I Estera. Afaka nataon’I Estera no nanakipy maso, kanefa dia noraisiny ny andraikiny manandrify azy. Samy manana andraikitra nomen’Andriamanitra antsika isika, fa tsy miandry ny hafa na ny governementa. Mivonona ianao handray izany andraikitra izany!
3. Mivavaha amin’ny fahamarinana
Rehefa nanapa-kevitra handray andraikitra I Estera dia nanoka-tena hivavaka sy hifady hanina. Tena nivavaka izy fa tsy nitsetsetra fotsiny. Nivavaka tamin’ny fandresen-dahatra izy.
4. Mirosoa amin’ny fahamalinana
Taorian’ny vavaka, dia niditra teo anatrehan’ny mpanjaka I Estera. Tsy maimaika foana I Estera fa mailo tsara izy, ka dia tsy avy hatrany dia nanao fangatahana tamin’ny mpanjaka. Jesoa koa dia nanafatra ny mpianany mba ho hendry tahaka ny menarana ary ho mora tahaka ny voromalaila, izany hoe: manana saina sarotiny sy fo tsotra.
5. Mitenena amin’ny fahasahiana
Sahy nilaza ny zava-misy teo amin’ny mpanjaka I Estera, mba hamonjena ny fireneny. Rehefa vita ny vavaka ary efa mailo tsara isika, dia mila sahy mitory ny fahamarinana. Tsy voatery mahafaly ny olona ny zavatra ambarantsika, kanefa mila mijoro ny Fiangonana. Izay tokony tenenintsika dia aoka ho tenenintsika.
Raha vitantsika izany, dia ny nitranga tamin’ny andron’I Estera no hitranga amintsika ihany koa. Tsy ho ringana ny firenentsika.
Pasteur Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina
21 Jiolay 2018