Fahefana ampindramina
Hatrany am-piandohana dia efa nisy ny olona niavaka teo amin’ny fiaraha-monina ary nanana fahefana tamin’ny mpiara-belona, neken-teny, natao ho lehibe, nandidy nanapaka ny teo amin’ny manodidina azy. Mety ho zavatra na sehon-javatra samihafa no nahatonga azy ho amin’izany « toeram-pahefana » izany : tanjaka, hery, fahaizana, fahendrena, harena, fahamatorana, nefa mety koa kolikoly miteraka hala-bato, vonoan’olona koa aza indrisy ny an’ny sasany. Izany hoe raha jerena amin’ny zava-misy iainana an-davan’andro dia toy avy amin’ilay manam-panhefana ihany no nahazoany ny fahefana sy nahatonga azy ho « manam-pahefana ».
Maro noho izany ny olona tonga eo amin’ny toeram-pahefana iray no mihevitra fa azy mihitsy io fahefana io fa tsy nampindramina azy ka fikiriny mafy amin’ny fomba rehetra na dia handripahany ny fireneny azy.
Tsiphintsika aloha fa na iza na iza lazaina ho manam-pahefana, na lehibe na kely io fahefana io, na aiza na aiza koa ampiasany izany fahefana izany dia « mpindrana izy fa tsy tompony ». Ekena avy hatrany anefa fa matoa nampindramina ny zavatra iray dia ny mba hampiasan’ilay nampindramina azy no antony. Ary satria nampindramin’Andriamanitra olombelona ny fahefany dia adidin’ny manam-pahefana ny manontany an’Andriamanitra fa tsy hila hevira amin’ny “sikidy” (occultisme) na “fandroana” (astrologie) ets.
Pasteur Emilien Razafiarison, notsongaina tao amin’ny Boky “Fahefana ampindramina” (2004, p17)