INONA NO ATAO HOE KOLIKOLY?

Ny votoatin’ny kolikoly dia ny fahalovan’ny fo!

Ny fifandraisana rehetra dia potika avokoa. Ny fifandraisana amin’Andriamanitra, manjary fankahalana satria ny olombelona dia mifikitra amin’ny mamôna tsy marina (Matio 6.24). Ny fifandraisana amin’ny olon-kafa koa, manjary fitaovana fanangonan-karena sy fieboebona ara-piarahamonina.
Eo anivon’ny firenena, ireo rafitra ara-politika raitra sy ireo modely ara-toekarena vao misandratra dia mifandona, tsy azo ihodivirana, amin’ny faharatsian’ny fon’ireo lehilahy sy vehivavy mampihatra azy.

Noho izany, ny tena fahatongavan-tsaina amin’ny endrika manimba ny kolikoly sy ny finiavana hiady sy handresy azy dia ny fibebahana sy ny fiverenana amin’ny fifandraisana amin’i JESOA.

IREO KARAZANA KOLIKOLY

“TRANSPARENCY INTERNATIONAL” dia mamaritra ny kolikoly ho “fanararaotam-pahefana ataon’ny olona iray manararaotra ny toerana tazoniny mba ahazoany tombontsoa manokana”. Ny kolikoly dia azo tsaraina ho goavana, na madinika arakaraka ny fahaverezan’ny vola sy sehatra iharany.

  • Ny kolikoly goavana dia fanaovan’ireo tompon’andraikitra ambony mifehy ny herim-panjakana ka manaratsy ny politika sy ny fampandehanan-draharaha ny fanjakana foibe, ahazoan’ireo mpitondra ambony ireo tombontsoa manokana avy amin’ny fananambahoaka.
  • Ny kolikoly madinika dia fanararaotana isan’andro ataon’ireo mpiasam-panjakana amin’ny asany andavanandro amin’ireo olom-pirenena mifandray aminy,ka mihevitra ny hampiasa ireo fananambahoaka sy ny asa mifandraika amin’izany toa ny any amin’ny hopitaly, sekoly, polisim-pirenena sy ny hafa koa.

Karazana sy endrika isehoan’ny kolikoly:

  • Kolikoly (mandray/manaiky/mampanantena na fitakiana tombontsoa amin’ny fampiasana fananana sy asam-panjakana amin’ny tsy rariny).
  • Fanodikodinana
  • Hosoka, halatra
  • Fanararaotana araka ny asa sahaniny na ny toerana misy azy, fahalalana olona, fanomezana tombontsoa manokana

IREO TONDROZOTRA MOMBA NY KOLIKOLY