"Midirà amin'ny vavahady èty ianareo" (Matio 7. 13 a)
Ambaran’i Jesoa mazava fa misy vavahady roa samy hafa mitondra amin’ny lalana roa mifanohitra eo amin’ny fiainantsika, ny iray mitondra amin’ny fahaverezana ary ny iray mankany amin’ny fiainana. (Matio 7: 13-14)
Satana fahavalontsika dia milofo fatratra hangalatra ny fiainana be dia be nahafatesan’i Jesoa ho antsika, mitady ny hamono sy handringana antsika izy hiainantsika fiainana tsy misy fiainana (Jaona 10:10). Mampiasa ny nofontsika sy ny tontolo manodidina antsika izy hanosika antsika hihazakazaka hiditra ny vavahady malalaka mitondra any amin’ny lalan’ny fahaverezana.
(suite…)...