Zanak’Andriamanitra marina

Fa nahoana moa aho no manao ny marina ? Nahoana no misy ny mifikitra amin’ny marina, na dia toa ahitany fahasahiranana mafy izany ?

Hoy ny Soratra Masina «Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany » (1Jaona 2.29)

Ny anisan’ny ahatsapana sy ahafantarana fa tena zanaka naterak’Andriamanitra ny olona dia ny fitiavany sy ny finiavany hanao ny marina mandrakariva. Na inona mety ho vokatr’izany avy amin’ny tontolo ifaneraserany : fandraharahana, varotra, taratasy ilaina, fitsaboana, … tsy mihozongozona ny fiainam-pahamarinana.

Antony :

  • Satria zanak’Andriamanitra dia tahaka Azy koa ny toetra sy fanao. Lasa fiainana raiki-tapisaka ny fahamarinana.
  • Ambony sy sarobidy loatra aminy izany maha zanak’Ilay Marina izany. Ifikirany mafy. Mihoatra lavitra noho ny vola sy harena be.
  • Fantany fa fitaovam-piadiana nomen’ny Rainy azy ny fahamarinana. Efa nahazo teny fikasana ho mpandresy koa izy amin’ny fampiasana izany. (Efesiana 6.14 ; Romana 8.37)

Désiré RABENIFARA