Taratasin’i Paoly ho an’ny Fiangonana aty Madagasikara

Raha ho nanoratra ho antsika velona ankehitriny re i Paoly Apostoly, dia ho toy inona re ny Epistily nosoratany e?

« Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’Andriamanitra sy apostolin’i Jesoa Kristy.

Mamangy anareo isan’ny Fiangonana aty Madagasikara aho. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao  miara-belona ratsy fanahy izao!

Nahazo vaovao aho fa manao ezaka tena mahafaly ny fo ianareo Kristianina malagasy hiadiana amin’ny fahalovana. Efa nolazaiko tamin’i Timoty  « fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra », ary anteriko aminareo indray izany; dia araka ny tenin’i Jesoa Tompontsika rahateo manao hoe: « Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianareo ».

Malahelo anefa aho fa tsy nafenina tamiko koa fa anisan’ny firenena mbola manana tahan’ny fahalovana ambony ihany ny firenenareo. Koa mivavaka ho anareo aho mba tsy ho ny anaranareo fotsiny no ho any anaty lisitr’izany  Tohivakan’ny Fahamarinana izany, fa mba hahajoro tokoa ho fanasina  ianareo ka hahaova tokoa ny fiaraha-monina! Ary tsy mampaninona ahy ny manao teny averina ho anareo koa ankehitriny ny amin’izay efa nosoratako ho an’ny Kristianina tany Roma hoe« Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina».

Homba anareo anie ny Tompo! »

Rev. IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi