Iza no tena tianao ny Tompo Jeso sa ny zavatra omeny?
Anio raha manontany anao ny Tompo hoe “moa tia ahy va ianao?” dia mety maro amintsika no ho mailaka ery hiteny hoe eny Tompoko ianao mahalala fa tia anao aho.
Fa tena tia ny Tompo tokoa ve ianao sa mila azy ianao ka rehefa azonao izay ilainao dia adinonao fa Tomponao Izy? Mahantra indrindra isika raha ny zavatra eto an-tany ihany no hanantenantsika an’Andriamanitra. Raha ny zavatra afaka omeny no andrandrainao dia ho mora voafitaka ianao satria hanararaotra izany ny fahavalo hanokatra fomba hafa ivelan’ny sitrapon’Andriamanitra hanomezany anao izay katsahinao. Dia hilatsaka mora foana anatin’ny haraton’ny kolikoly sy ny faharatsiana samihafa ianao. Ny zavatra rehetra eo an-tananao dia mihalo tsikelikely avokoa na lafo vidy tahaka ny inona aza. Kanefa dia matetika ireo no hamitahan’ny fahavalo antsika hitady ny sitranihay kely hatrany.
Ny fitiavan’Andriamanitra anao no maharitra mandrakizay. Hoy ny Tompontsika ao amin’ny Jaona 15: 9-10 “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo, tomoera amin’ny fitiavako hianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo dia hitoetra amin’ny fitiavako”. Fantaro ny fitiavan’Andriamanitra anao ary ao mitoetra dia hihainanao izany hoe feno ny fahafenon’Andriamanitra (Efesiana 3: 19) ka tsy misy tsy ampy na inona na inona (Jakoba 1: 4).
Ny fiainana kristianina dia tantaram-pitiavana eo amintsika sy Andriamanitra fa tsy vesatra amin’ny fanarahan-dalàna. Mitomboa amin’ny fahalalana ny fitiavan’Andriamanitra anao dia ho fifaliana ho anao ny mandeha amin’ny fahamarinana ka manoloana izay mety ho endrika kolikoly rehetra dia hiteny tahaka an’i Josefa ianao hanao hoe “hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39: 9)
Tiana Fanantenana Razafindrakoto