Ampy ho anao ve ny volanao?

Izay tia vola tsy hety ho voky vola, ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany. Mpitoriteny 5:9

Raha androany ianao mahazo vola, dia mbola te hanam-bola ve rahampitso ? Ny ankamaroan’ny olona dia te hahazo vola hatrany. Raha nanontaniana i John Rockefeller, izay anisan’ny olona nanan-karena indrindra maneran-tany hoe “Ampy anao ve ireo harena ireo ? Rahoviana no atao hoe ampy ny vola?” dia namaly am-panesoana kely izy hoe “mbola ampiana kely fotsiny”. Ka na ny olona manan-karena indrindra aza dia tsy mety afa-po amin’ny vola.

Manao ahoana ny fahasalamantsika amin’ny ara-bola? Afaka lazaina ve hoe tia vola ve isika? Tia vola ianao raha tsy mety afa-po, tsy mba mahay mankasitraka ny vola omena anao, ilay miteny hoe “inty fotsiny ve?” raha misy manome vola. Tsarovy ny tenin’ny Soratra Masina “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra”

Misy fironana telo miraikitra amin’ny fon’ny olona

1- Faniriana hanana: ka mitarika azy hitady vola hatrany mba hahazoany izay iriany

2- Fialonana: mahatonga azy hampitaha ny fiainany amin’ny hafa ary te hanana mihoatra noho ny hafa foana

3- Fitiavan-tena: ka tsy mizara, te hanangona ho azy hatrany

Misy aminao ve ireo? Ireo no mahatonga ny olona misoloky, mangalatra, mandainga, manao risoriso, manao kolikoly.

Aoka tsy ho toy izany izaho sy ianao. Handeha amin’ny fahamarinana isika, fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany rehetra izany. Aoka handini-tena eo anatrehan’Andriamanitra. Ho antsika kristiana, tsy ny vola no hozatry ny fiainana fa I Jesoa Kristy no tena fiainana. Tsy hanana hafa ho tompoina isika afa-tsy Jesoa Kristy irery ihany. Jesoa Kristy no asandratsika. Ny kristiana tsy manaiky ho andevon’ny vola. Ny kristiana tsy jamban’ny vola, tsy voafitaky ny vola, tsy taitra amin’ny vola, Jesoa no asandrany, Jesoa no heriny. Hiasa amintsika anie ny Fanahy Masina ka hanome voninahitra an’I Jesoa Kristy isika.

Mpanompovavin’Andriamanitra Marthe Hervée (29-03-18)