Famoahana entana eny Ivato

Namoaka entana teny Ivato aho tamin’ny 3 janoary. Voavezivezy tetsy sy teroa hoe tsy ao ny tompon’andraikitra sns. Tsy nahataitra ahy izany fa nanana fitsaharana anaty aho hiatrika izay miseho ary tsy hanao kolikoly mihintsy. Ny olona tao aoriako anefa toa efa zatra izay fanaon’izy ireo ka voaray tsara daholo sady vetivety dia nahavita ny zavatra nataony fa izaho mbola tao foana hatramin’ny 3 ora folakandro.

NY ANDRIAMANITRA TSY ANDRIN’NY HAFA ANDRIKO FOANA. Nisy rangahy tamy nanatona ahy sady nalahelo be no nanontany hoe inona kay ny anao ramose fa toa efa ela ianao no niandry teo anefa mbola itako eto foana ? TENA HITAKO HOE IRAK’ANDRIAMANITRA IO LEHILAHY IO. Nazavaiko azy ary nohetsehiny daholo izay afaka nanampy ahy tao ka dia tafavoaka soa amantsara ny entako. Deraina ny Tompo e! ZA TSY HANAO KOLIKOLY MIHINTSY E!